Mpamily Betaks

  • Uploaded by: Miary Christophe
  • 0
  • 0
  • May 2020
  • PDF

This document was uploaded by user and they confirmed that they have the permission to share it. If you are author or own the copyright of this book, please report to us by using this DMCA report form. Report DMCA


Overview

Download & View Mpamily Betaks as PDF for free.

More details

  • Words: 217
  • Pages: 1
MPAMILY BETAKS Zà zao rehefa lehibe Ndeha hitondra taxiBe Satria any izao no misy sôsy No sady afaka miraozy. Tsy mila manao Auto-Ecole Fa tonga dia manao goal Mianatra mibaiko ny mpamily Rehefa hijanona sy hivily. Tsy ankànao klinôtà Fa tonga dé avily ny vôlà Tsy misaotra amin'ny détresy Manjary oainina fa hoe resy. Ataoko tena mandefa mafy Amin'lay mahafaty Hikafiriana telon-jato Hamonoan-tena tsy ankiato. Rehefa te hanal'azy Dé manararaotra amboteazy Na mbo manao vodihazo Satria zé maka ihany no mahazo. Ny ekolazin-ny prà Efa ao anaty boatagà Rehefa tonga ny ankisava Efa ao ny tampim-bava. Rehefa akaiky ny arrêt Dé hitsahiko mafy be hijanonako tampoka 'ndray zà no tonga aloha amin'zay. Mody ilaozako mihenahena Mody iandrasako ireo mpiantsena Mody ahemotro manena Avy eo tomoroko mitrena.

Tsy mila mangata-dàlana Fa tonga dia bahànana Rehefa tafiditro ny fiara Zay vao kopaka mosoara. Ny kaoperativa misy anay Dé feno sofera mahay Tsy misy 'zay hifandefitra Fa ny hifanitsaka no hevitra. Zà tsy mbo hanome làlana Na d'efa misy tsanga-tànana Modiana fanina 'zay mangataka Ny aoriana ao ve tsy halalaka?

Alohan'ny hody indray Dia asina tour anakiray Sitrany ahay misy sôsy Mba hameno ny ao am-paosy. Betaks aloha ny kandra misy Taorinan'ny jonobotry sy ny bisy Fa mety aleoko ihany midina goal satria famerim-bola no tena baolina. Mi. Sept 09

Related Documents

Mpamily Betaks
May 2020 40

More Documents from "Miary Christophe"

Toi Et La Rose
June 2020 32
Mpamily Betaks
May 2020 40
May 2020 29
May 2020 41
Quoiqu'il Fasse
May 2020 29
June 2020 4